Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.
Daniela 1:19 - DIEM PROTESTANTA ary niresaka tamin’ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka ka tamin’izy rehetra dia tsy nisy hitany ho tahaka an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. Dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary niresaka tamin’ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. Malagasy Bible Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. La Bible en Malgache Niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka ka tamin’izy rehetra dia tsy nisy hitany ho tahaka an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. Dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. |
Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.
Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.
Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.
Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.
Rehefa tonga ny andro voatendrin’ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa teo anoloan’i Nebokadnetsara ireo;
ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo.
Nasain’ny mpanjaka hanokanana sakafo sy divay isan’andro avy amin’ny hanina amam-pisotrony izy ireo ary koa hampianarina mandritra ny telo taona. Rehefa izany dia hanompo ny mpanjaka izy.
Anisan’ireo voafidy tao amin’ny fokon’i Joda i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià.
Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.
Dia navoaka ny didy mampamono ho faty ireo olon-kendry; ary notadiavina koa i Daniela sy ny namany mba hovonoina ho faty.
Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»