Daniela 1:4 - DIEM PROTESTANTA4 ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo. Jereo ny toko |
Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka indray ny mpanandro ka nanao hoe: –Tsy misy olona eto ambonin’ny tany afaka hilaza izany nofinao izany, ry mpanjaka! Ary tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, ka nanontany zavatra toy izany tamin’ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro.
Fa ato amin’ny fanjakanao misy lehilahy iray entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; ary tamin’ny andron-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena toy ny fahendren’ireo andriamanitra tao aminy. Izany no nanendren’i Nebokadnetsara mpanjaka rainao azy ho lehiben’ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy.
Dia niantso tamin’ny feo mahery izy mba hampanalaina ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy. Dia nitenenan’ny mpanjaka ireo olon-kendrin’i Babilôna ka nataony hoe: –Na iza na iza mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana izy.»