Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Raha miverina ianao dia horaisiko indray ka hitsangana eo anatrehako; ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao dia ho solom-bavako; hanatona anao indray ireny; fa tsy ianao no hanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Koa izao no lazain’i Iaveh: «Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Koa izao no lazain’i Jehovah: Raha hiverina hianao, dia horaisiko indray, Ka dia hitsangana eo anatrehako hianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ny zava-poana hianao, Dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy hianao no hanatona azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:19
34 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.


Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.


Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Noho izany, amin’ny fianakavian’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no milaza izany.»


Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.


Efa sempotra dia sempotra ny tafoforana, ka tokony ho levona ny firaka noho ny hafanana; nefa very maina ny nandrendrehana ny volafotsy fa tsy mety miala ny taindrendrika.


Sentom-pahakiviana no ataon’ny vahoaka rehetra eo am-pitadiavana izay hohaniny. Efa nanome izay zava-tsarobidy indrindra izy mba hatakalo hanina hampodîna hery. Hoy izy hoe: «TOMPO ô, jereo ka diniho fa efa voavingavinga loatra aho.»


Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.


Mandika ny lalànako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.


«Ny mpisorona no hampianatra ny vahoakako hanavaka ny masina sy ny tsy masina ary ny madio sy ny maloto.


Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,


Ireo fepetra ireo no ahazoana mamantatra hoe maloto na madio ny olona na zavatra anankiray.


–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»


Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.


Ary hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: –Izay mihaino anareo, dia mihaino Ahy; izay manamavo anareo, dia manamavo Ahy; ary izay manamavo Ahy, dia manamavo Ilay naniraka Ahy.


fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.


satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo.


Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.


Olombelona ve ankehitriny no ilàko sitraka? Tsia, fa Andriamanitra no ilàko sitraka! Sa ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko? Raha mbola ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko, dia tsy mpanompon’i Kristy aho.


Fa tsy nikoy mihitsy izahay taminy, na indray mihelina aza, mba ho Vaovao Mahafaly marim-pototra no voatana ho anareo.


Fa ho an’ny olon-dehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ireo efa zatra nampiasa ny sainy hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.


Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra