Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, Ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Mety hisintona ny rano amin’ny farihy, ary ho ritra ny ony ka ho maina;


Tsy mitsara ahy ara-pahamarinana Izy; fa na dia tsy meloka akory aza aho, dia zana-tsipîka hahafaty ahy no alefany.»


TOMPO ô, iantrao aho fa reraka; TOMPO ô, sitrano fa lany hery.


Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.


Irahin’ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.


Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin’ny henatra isan’andro izao?


TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan’andro sady fanebaky ny olona rehetra.


Izao no lazain’ny Tompo: «Tsy azom-panafana ny fahavoazanao, tsy azo sitranina ny ratranao.


Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao sy ny fanaintainanao tsy azo tonena? Ny halehiben’ny helokao sy ny hamaroan’ny otanao no nampiharako izany taminao.


Noho izany, ry mponina ao Tsiôna, afoizo i Môreseta-Gata; ny tanàna Akziba dia toky manodoka ho an’ny mpanjakan’i Israely.


satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema izay tanànan’ny mpiray firenena amiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra