2Petera 2:7 - DIEM PROTESTANTA Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa i Lota, lehilahy marina kosa izay ory dia ory noho ny fanaranam-pon’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna; Baiboly Katolika ary matoa Izy namonjy an’i Lôta olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondràn-tenan-dry zareo tsy misoro-doza, Baiboly Protestanta Malagasy fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka ( Malagasy Bible fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka La Bible en Malgache fa i Lota, lehilahy marina kosa izay ory dia ory noho ny fanaranam-pon’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka, |
Raha mbola nitaredretra i Lôta, dia notantanan’ny anjely izy mbamin’ny vady aman-janany ho any ivelan’ny tanàna noho ny famindrampon’ny TOMPO taminy.
Mandehana faingana miery ao, satria tsy afaka hanao na inona na inona aho ambara-pahatonganao ao. Izany no antony niantsoana io tanàna io hoe Tsôhara.
Nony noravan’Andriamanitra ireo tanàna tamin’ny faritany nipetrahan’i Lôta, dia nahatsiaro an’i Abrahama Izy ka namela an’i Lôta hiala tao amin’ny lozam-paharavana.
Dia niantso an’i Lôta ireo ka nanao taminy hoe: –Aiza ireo lehilahy tonga teto aminao izao hariva izao? Avoahy atỳ izy hanaovanay firaisana.
Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:
Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.
Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.
Maro no hanaraka ny fitondrantena ratsiny, ka ireny no hanevatevana ny lalana voasoritr’ilay hafatra marim-pototra.
Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.
Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.