2Petera 2:12 - DIEM PROTESTANTA Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina: Baiboly Katolika Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin’ny fahalotoany izy ireo: Baiboly Protestanta Malagasy Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ny fahalotoany, Malagasy Bible Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany, La Bible en Malgache Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy |
Ny ratsy ataon’ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.
Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.
Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.
Ianao kosa, TOMPO ô, mahalala ahy sady mahita ahy; nizaha toetra ny foko Ianao fa miandany aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin’ny andro fandringanana.
«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.
Dia hoy aho anakampo hoe: «Momba ireo olona mahantra ihany izany; tsy misaina loatra izy ireny ka tsy mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO na izay fitsipik’ilay Andriamaniny.
Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.
haka vadin’olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra.
Dia hoy indray i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Handeha Aho ka hotadiavinareo, saingy ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; izay alehako tsy azonareo aleha.
eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin’ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin’ny Fanahy Masina.
Zavatra mora levona amin’izay ampiasana azy avokoa ireo rehetra ireo, satria didy sy fampianarana avy amin’olombelona.
Izany voninahitr’Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin’izao tontolo izao.
Fahafahana no ampanantenain’ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin’ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin’izay naharesy azy.
Ireo olona ireo kosa dia manevateva ny zavatra tsy fantany akory, sady manimba tena amin’ny zavatra fantany ara-pahazarana fotsiny tahaka ny ahalalan’ny biby tsy manan-tsaina.