Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 10:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry; tsy nitady an’i Iaveh izy; koa tsy nambinina akory izy, dia naely avokoa ny biby andrasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa efa ketrina ny mpiandry ondry Ka tsy mitady an’i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, Ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 10:21
18 Rohy Ifampitohizana  

Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,


Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe: «Mba aiza àry izao ny TOMPO?» Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitarika nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.


Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»


Hoentin’ny fahavalony ho babo ny ramevany sy ny ondry aman’osiny marobe. Haparitako any amin’ny vazantany rehetra ireo mponina voaharatra fihirifana ireo. Hitondrako fandravana hatraiza hatraiza izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


Mahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?


Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon’ny mpiandry amin’ny andro iparitahan’ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin’ny toerana rehetra izay niparitahany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito.


«Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra