Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.
2Tantara 7:1 - DIEM PROTESTANTA Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa vitan’i Solomona izany vavaka izany dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra; dia feno ny voninahitry NY TOMPO ny Trano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly. Baiboly Katolika Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa vita izany vavak’i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra, ka feno ny voninahitr’i Jehovah ny trano. Malagasy Bible Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano. La Bible en Malgache Rehefa vitan’i Solomona izany vavaka izany dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra; dia feno ny voninahitry NY TOMPO ny Trano. |
Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.
Hiantso ny anaran’ny andriamanitrareo ianareo, fa izaho kosa hiantso ny anaran’ny TOMPO; koa izay mamaly vavaka amin’ny fandrehetana ny afo no ho tena Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra namaly hoe: –Marina izany teny izany.
Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.
Rehefa vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao,
Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.
Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.
«Eo amin’io toerana io no hihaonako amin’ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany.
Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany holazaina.
Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanainga ahy avy amin’ny tany ka nitondra ahy hankeo amin’ny kianja anatiny; ary hitako nameno ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO.
Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny tempoly aho. Hitako ny voninahitry ny TOMPO fa nameno ny trano; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.
«Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan’i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina.
Ary ho mamin’ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan’i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taona fahiny.
Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.
Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.
Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.