Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 9:20 - DIEM PROTESTANTA

20 «Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan’i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Israely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitro ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 «Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan’i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitro ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitro,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Israely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitro ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 9:20
24 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezrà sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin’ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.


koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman’alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;


Ny TOMPO eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.


Koa dia naborako taminao ny otako ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Hoy aho hoe: «Meloka aho, TOMPO ô, ka tsy maintsy hiaiky izany aminao.» Tamin’izay dia nafahanao ny otako. Fiatoana


Eto ambonin’ny tany manko dia tsy misy olo-marina izay manao ny tsara kanefa tsy diso.


dia hoentiko eo an-tendrombohitro masina, ka hampifalîko ao an-trano fivavahana amiko; ny sorona isan-karazany hatolony dia hankasitrahiko eo ambonin’ny alitarako; satria ny tranoko hatao hoe: ‹Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.›


Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.» Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany holazaina.


Ary hoy koa izy tamiko: ‹Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin’ny andro voalohany nanoloranao ny fonao hahafantatra izay niseho sy nanetrenao tena teo anatrehan’Andriamanitra, dia nohenoina ny tonombavakao ka tonga aho hitondra ny valiny.


«Tamin’izany andro izany, izaho Daniela dia nisaona nandritra ny telo herinandro.


Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»


Tompo ô, araka ny asa soa rehetra vitanao dia aoka re mba hisinda ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao sady tendrombohitrao masina. Noho ny fahotanay sy ny heloky ny razanay, dia miteny ratsy an’i Jerosalema sy ny vahoakanao ireo firenena manodidina rehetra.


Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho ka monina eo afovoan’i Jerosalema. Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.» ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro dia «Tendrombohitra masina.»


Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.


Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra.


Eny, diso amin’ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin’ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa.


Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo, ary nasehony ahy ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra


Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin’ny vadiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra