Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 5:4 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita no nitondra ny vata misy ny Fanekena,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga koa ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita* no nitondra ny vata misy ny Fanekena*,

Jereo ny toko



2Tantara 5:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ireo mpisorona ny Vatamasina.


Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


ka nampiakariny niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.


Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin’i Nona ka nanao taminy hoe: –Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.