Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 5:5 - DIEM PROTESTANTA

5 ka nampiakariny niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 dia nampiakariny ny vata misy ny Fanekena sy ny tranolay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny levita mpisorona ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 ka nampiakariny niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nafindrany ny fiara mbamin’ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin’ny lay, ka ny mpisorona taranak’i Levì no nitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny lay. Nampakarin’ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 dia nampiakariny ny vata misy ny Fanekena sy ny tranolay fihaonana* ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny levita mpisorona ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany, tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima.


Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.


Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.


Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina


I Salômôna mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan’ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman’osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra