Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:4 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia i Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ny taranak’i Faresa zanak’i Jodà: i Oteì zanak’i Amioda, zanak’i Amrỳ zanak’i Omraỳ zanak’i Bonì.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia i Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.

Jereo ny toko



1Tantara 9:4
9 Rohy Ifampitohizana  

I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala.


avy tamin’ny terak’i Selà, dia i Asaià lahimatoa sy ireo zanany lahy;


i Zakora sy i Serebià, ary i Sebanià,


Kanefa niorim-ponenana tao Jerosalema koa ny olona sasany tamin’ny taranak’i Joda sy i Benjamîna. Tamin’ny taranak’i Joda dia ireto avy: i Hataià, anisan’ny terak’i Peretsa noho izy zanakalahin’i Hozià sy zafin’i Zakarià sy zafiafin’i Amarià sy zafin-dohalik’i Sefatià ary zafin-kitrokelin’i Mahalalela;


Lehilahy olombanona 468 no tontalin’ny terak’i Peretsa tonga nonina tao Jerosalema.


Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin’ny toerany avy. Ary ny levita, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna.