I Jônatàna zanakalahin’i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan’i Saoly sy i Jônatàna. Nentin’ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefibôseta no anarany.
Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro. Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà,