Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.
1Tantara 7:28 - DIEM PROTESTANTA Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy. Baiboly Katolika Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny; Malagasy Bible Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny; La Bible en Malgache Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy; |
Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.
Izao kosa no velaran-tanin’ny Efraîmita ho an’ireo tarika ao anatiny: ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Hatarôta-Adara any atsinanana, tonga hatrany Bety-Hôrôna ambony
avy eo dia midina ho any Hatarôta sy Naharà, dia mihazo an’i Jerikao ary mipaka any Jôrdàna.
Eo andrefan’i Mikmetata kosa dia mihodina mankany Tapoa, manaraka ny reniranon’i Kanà, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izany no zaratany nomena ireo tarika ao anatin’ny fokon’i Efraîma,
miampy ireo tanàna sy zana-bohitra notsongaina teo anivon’ny zara tanin’ny fokon’i Manase.
Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO.