Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 6:17 - DIEM PROTESTANTA

Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny fonenan’ny tranolay fihaonana izy ireo, mandra-panaovan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh tany Jerosalema, ary nipetraka nanao ny fanompoany araka ny nandaminana an’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin’ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon’i Solomona ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely*, dia ny tranolay fihaonana*, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 6:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny avy amin’i Gersôna: i Lahadàna sy i Simehỳ no zanakalahin’i Gersôna.


Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an-tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana.


Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany: Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela


Haleloià! Miderà ny anaran’ny TOMPO ianareo. Miderà Azy ianareo mpanompony


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Asafa.


Ny zanakalahin’i Gersôna dia i Zibnỳ sy i Simehỳ, izay samy manana ny tarika tandrify azy avy.


Indreto kosa ny anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ ka izy roa lahy no razan’ny tarika avy aminy.


I Gersôna no razan’ny Gersônita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita.