Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:21 - DIEM PROTESTANTA

21 I Gersôna no razan’ny Gersônita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 I Gersôna no razan’ny Gersônita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ny fokon’i Lebnỳ sy ny fokon’i Semeì dia avy amin’i Gersôna ka atao hoe fokon’ny Gersônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Avy tamin’i Gersona ny fokon’ny Libnita sy ny Simeita: ireo no fokon’ny Gersonita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.


Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.


ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana;


Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebrônita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Kôrahita. I Kehata no niteraka an’i Hamrama


Indreto kosa ny anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ ka izy roa lahy no razan’ny tarika avy aminy.


Ary ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ ka izy roa lahy no razan’ny tarika avy aminy. Izy valo lahy ireo no ipoiran’ny tariky ny Levita araka ny fianakaviambeny avy.


Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500.


«Ataovy lisitra isam-pianakaviana sy isan-tarika koa ny taranak’i Gersôna.


Ny azon’ny taranak’i Geresôna tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Naftalỳ sy antsasa-pokon’i Manase any Basàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra