Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 6:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany: Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Izao no nanao ny fanompoana, niaraka tamin’ny zanany: Tamin’ny zanakalahin’ny Kehatita dia i Hemana mpihira, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Samoela,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany: Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 dia izao no nanompo mbamin’ny zanany: Tamin’ny zanakalahin’ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Samoela,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Izao no nanao ny fanompoana, niaraka tamin’ny zanany: Tamin’ny zanakalahin’ny Kehatita dia i Hemana mpihira, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Samoela,

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 6:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.


Ny zanakalahin’i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.


Ny zanakalahin’i Samoela dia i Jôela ny zokiny ary i Abià ny zandriny.


Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.


sy zafiafin’i Elkanà sy zafin-dohalik’i Jerôhama sy zafin-kitrokelin’i Eliela sy zafim-paladian’i Tôa


Tononkira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin’i Hemàna zanakalahin’i Zerà.


Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra