Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 5:16 - DIEM PROTESTANTA

Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nonina tany Galaada tany Basàna izy ireo ary tany amin’ny tanàna momba azy sy amin’ny tanimbolin’i Sarôna, hatrany an-tsisiny. Tamin’ny andron’i Joatama mpanjakan’i Jodà, sy ny andron’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ny zana-bohiny ary tamin’ny tany rehetra an-tsisin’i Sarôna manodidina izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 5:16
8 Rohy Ifampitohizana  

I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha.


I Ahỳ zanakalahin’i Habdiela sy zafin’i Gonỳ no filohan’ireo fianakaviana ireo.


Izaho kosa dia voninkazo any amin’ny lemak’i Sarôna ary lisy eny an-dohasaha.


Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna. Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.


Ho an’ny vahoakako izay nitady Ahy dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarôna, ary hanjary valan’omby ny lohasaha Hakôra.


Nahita azy ny mponina rehetra tany Lida sy tany amin’ny lemak’i Sarôna ka niverina ho amin’ny Tompo.


Nomen’i Mosesy anjara koa ny fokon’i Gada; nomena ny Gadita izany ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny Gadita ho an’ireo tarika ao anatiny.