1Tantara 27:29 - DIEM PROTESTANTA29 I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201129 ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara29 I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha. Jereo ny tokoBaiboly Katolika29 i Setraì avy any Sarôna no amin’ny omby andrasana any Sarôna; i Safàta zanak’i Adlì no amin’ny omby eny an-dohasaha; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy29 ary ny tonian’ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’i Adlay; Jereo ny tokoMalagasy Bible29 ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache29 ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay; Jereo ny toko |
Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna. Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.