Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:41 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’ny andron’i Ekeziasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’ireo olona voasoratra anarana ireo. Noravany ny lain’izy ireo mbamin’ny Maônita hitany tao, ka nony efa nataony anatema mandrak’androany, dia izy ireo no nisolo toerana azy, nonina teo, satria nisy ahitra ho an’ny biby fiompiny tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ny ondriny aman-osiny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany.

Jereo ny toko



1Tantara 4:41
13 Rohy Ifampitohizana  

i Ahaza zanakalahin’i Jôtama, i Hezekià zanakalahin’i Ahaza, i Manase zanakalahin’i Hezekià,


mbamin’ny tanàna kely rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan’ny taranak’i Simehôna ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.


Marobe ny fahavalo maty niampatrampatra satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary nipetraka nisolo toerana ny Hagrita ry zareo mandra-pahatongan’ny fahababoana.


Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.


Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


na ny Tsidônianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan’ireny va Aho?