Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 4:33 - DIEM PROTESTANTA

33 mbamin’ny tanàna kely rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan’ny taranak’i Simehôna ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 mbamin’ny tanàna kely rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan’ny taranak’i Simehôna ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 mbamin’ny zana-bohiny rehetra izay tao amin’ny manodidina an’ireo tanàna ireo, hatrany Baala. Ireo no fonenany, sy ny taratasy tetiaram-pirazanan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 4:33
4 Rohy Ifampitohizana  

Ireto voatonona anarana ireto no filoha teo amin’ny tarika nisy azy avy: i Mesôbaba sy i Jamelèka, i Jôsa zanakalahin’i Amatsià, i Jôela, i Jehò ilay zanakalahin’i Jôsibeià sy zafin’i Seraià ary zafiafin’i Hasièla, i Eliôhenay sy i Jahakôbà, i Jesôhaià, i Hasaià sy i Hadiela mbamin’i Jesimiela sy i Benaià ary i Zizà ilay zanakalahin’i Sifehỳ sy zafin’i Alôna sy zafiafin’i Jedaià sy zafin-dohalik’i Simrỳ ary zafin-kitrokelin’i Semahià. Samy nihamaro fatratra ny fianakaviany,


Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.


dia ireo tanàna kely rehetra hatrany Bahalato-Beera sy hatrany Ramata-Negeba. Izany no zaratany nolovan’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra