Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:18 - DIEM PROTESTANTA

ary i Jehodià, vadiny hafa koa, dia niteraka telo mirahalahy: i Jereda mpanorina an’i Gedôra, i Hebera mpanorina an’i Sôkao, ary i Jekotiela mpanorina an’i Zanôa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary i Jehodià, vadiny hafa koa, dia niteraka telo mirahalahy: i Jereda mpanorina an’i Gedôra, i Hebera mpanorina an’i Sôkao, ary i Jekotiela mpanorina an’i Zanôa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ilay vehivavy Jody vadiny anankiray, niteraka an’i Jareda, rain’i Gedôra, sy i Hebera rain’i Sôkô, ary i Ikotiela rain’i Zanôe. Ireo no zanaka lahin’i Betià zanaka vavin’i Faraôna, nalain’i Mereda ho vady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehodia vadiny niteraka an’i Jareda, razamben’ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mareda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda.

Jereo ny toko



1Tantara 4:18
10 Rohy Ifampitohizana  

i Elkanà sy i Jisià mbamin’i Hazarela sy i Jôhezera ary i Jasôbehama, samy taranak’i Kôra;


Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna.


Ny zanakalahin’i Hezrà dia i Jetera sy i Mereda ary Hefera sy i Jalôna. Ary nanambady an’i Bitià, zanakavavin’ny Farao, i Mereda, ka niteraka an’i Miriama sy i Samày ary i Jisbà ilay mpanorina an’i Estemôa;


Ny anabavin’i Nahama no vadin’i Hôdià; ireo zanakalahin-dravehivavy dia ilay mpanorina ny tanàna Kehilà izay an’ny Garmita sy ilay mpanorina ny tanàna Estemôa izay an’ny Mahekatîta.


ka nandeha nankany akaikin’i Gedôra, dia hatrany atsinanan’ny lohasaha mba hitady ahitra ho an’ny andian’ondriny.


Ireo tanàna teny amin’ny faritra havoana kosa dia i Samira, i Jatira, i Sôkao,


i Jizrehela, i Jôkdehama, i Zanôà,


Farany ao koa i Halihola, i Bety-Tsora, i Gedôra,