Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.
1Tantara 21:3 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jôaba hoe: –Ry andriamanjaka ô, hampitomboin’ny TOMPO ho injaton’izao anie ny isan’ny vahoakany! Efa mpanomponao izy rehetra. Koa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mitady an’izany fanisam-bahoaka izany? Nahoana ianao no hitarika fahotana ho amin’i Israely? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Joaba: NY TOMPO anie hampitombo ny olony ho injato toy izao, na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana izany zavatra izany no hitondra heloka ho an’ny Israely? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jôaba hoe: –Ry andriamanjaka ô, hampitomboin’ny TOMPO ho injaton’izao anie ny isan’ny vahoakany! Efa mpanomponao izy rehetra. Koa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mitady an’izany fanisam-bahoaka izany? Nahoana ianao no hitarika fahotana ho amin’i Israely? Baiboly Katolika Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely? Malagasy Bible Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely? La Bible en Malgache Fa hoy i Joaba: NY TOMPO anie hampitombo ny olony ho injato toy izao, na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana izany zavatra izany no hitondra heloka ho an’ny Israely? |
Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.
Hanolotra an’i Israely amim-pahavalo Izy noho ireo fahotana nataon’i Jerôbohama sady nampanaoviny an’i Israely.
Kanjo tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Jôasy dia tsy mbola voavoatr’ireo mpisorona ihany ny simba tamin’ny tempoly.
Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara!
Saingy tsy azon’i Jôaba nolavina ny didin’ny mpanjaka; ka niainga ry i Jôaba nitety an’i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.
–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.
Ary nanontany an’i Aharôna izy hoe: –Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin’izao heloka bevava izao?
TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.
Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany.»
Ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!
Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy
Atsaharonareo izany, rey anaka, fa tsy tsara mihitsy izay reko momba anareo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.