Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 20:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nampaka an’i Abrahama i Abimeleka ka niteny taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao, ary inona no ratsy nataoko taminao, no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra izay tsy fanao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia nantsoin’i Abimeleka koa i Abrahama ka hoy izy taminy: «Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary Abimeleka dia nampaka an’i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao, no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ny fanjakako hianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia nampaka an’i Abrahama i Abimeleka ka niteny taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao, ary inona no ratsy nataoko taminao, no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra izay tsy fanao no nataonao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 20:9
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?


Inona, hoy aho, no kendrenao tamin’ny nanaovanao izao zavatra izao?


Dia nifoha vao maraina be i Abimelèka, ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara ny zavatra rehetra taminy; dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.


Dia hoy indray i Abimelèka hoe: –Inona ity nataonao taminay? Efa nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka saika handry tamin’ny vadinao, ka ho nahatonga heloka taminay ianao.


Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?


Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin’i Jakôba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baràka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian’i Sekema an-keriny tamin’ny zanakavavin’i Jakôba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.


Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.


Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?


Tezitra mafy tamin’izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin’i Natàna hoe: –Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany!


Fa hoy izy taminy: –Tsia, ranadahy, aza manao an-keriny ahy, fa tsy fanao eto Israely izany. Aza manao izany zava-pady izany.


Ary nanontany an’i Aharôna izy hoe: –Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin’izao heloka bevava izao?


Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin’i Aharôna ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy.


Izay mitarika ny olo-mahitsy amin’ny lalan-dratsy dia mamarin-tena amin’ny fandrika nataony; fa hahazo hasambarana kosa ny olona tsy misy tsiny.


«Raha misy lehilahy maka ny vadin’ny mpiray firenena aminy, dia samy hatao maty tokoa na ralehilahy mpaka vadin’olona na ravehivavy nalainy.


Fa tsy mba mizaha tavan’olona Andriamanitra.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.


Dia hoy i Josoa tamin’i Hakàna: –Nampidi-doza anay loatra ianao! Koa hahatonga loza aminao kosa ny Tompo anio! Dia novonoin’ny Israelita rehetra tamin’ny tora-bato i Hakàna. (Novonoiny toy izany koa ny ankohonany, ary indray nodorany tamin’ny afo ny fananany rehetra).


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra