Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 26:15 - DIEM PROTESTANTA

15 TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nampitombo ny firenena Ianao, TOMPO ô! Eny, nampitombo ny firenena Ianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao avokoa ny faritry ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh, nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao; nitarinao halalaka ny faritry ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:15
33 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


«Mety hanota aminao ny Israelita fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy amin’ny fahavalony; dia hoentin’ny mpamabo ho babo any an-tany lavitra na akaiky ireo.


Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.


Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.


Izany no nilazan’ny TOMPO hoe: –Hoesoriko tsy ho eo anatrehako tahaka ny nanesorako an’i Israely koa i Joda, ary hailiko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko fa hipetrahan’ny voninahitro.


Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Ampitomboiny ny firenena, nefa aringany avy eo; Avelany hitatra izy, kanjo ataony sesitany indray.


Kanefa na dia marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia io sisa io ihany no hiverina amin’ny Tompo. Efa voatendry ny fandravana, izay hampihanaka ny fahamarinana.


Ny masonao no hijery ny mpanjaka ao anatin’ny famirapiratany, ary koa hahita ny tany araka ny velarany faran’izay midadasika;


Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»


Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra, ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany. Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao, fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.


Eny, halefan’ny TOMPO any lavitra any ny mponina ka ho betsaka ny saha hilaozana eo amin’io tany io.


Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.


Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.


Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Ny ahazoan’ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro.


Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: –Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao.


Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra