Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.
1Tantara 21:29 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna; Baiboly Katolika Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny tabernakelin’i Jehvoah izay nataon’i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; Malagasy Bible Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; La Bible en Malgache Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany; |
Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.
Nony hitan’i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza.
nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.
Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.
Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.