Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr’ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba.
1Tantara 21:14 - DIEM PROTESTANTA Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita. Baiboly Katolika Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nasian’i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy. Malagasy Bible Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy. La Bible en Malgache Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina. |
Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr’ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba.
Ny alin’io ihany dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.
Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.
Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.