1Tantara 21:15 - DIEM PROTESTANTA15 Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ny loza ka nanao tamin’Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! atsaharo ny tànanao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’i Jehovah nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Araona Jebosita. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO. Jereo ny toko |
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»
Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.