Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 21:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely, ka nahafatesana fito alina ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nasian’i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 21:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia aretina pesta no nalefan’ny TOMPO hamelezana an’i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr’ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba.


Ny alin’io ihany dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.


Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.


Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.


Ireo matin’io areti-mandringana io dia nahatratra 24 000.


Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra