ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.
1Tantara 2:23 - DIEM PROTESTANTA Fa nalain’ny Gesorita sy ny Sirianina ireo tanànan’i Jaîro miaraka amin’i Kenata renivohitra sy ny tanàna kely manodidina azy; tanàna enimpolo no fitambarany. Ny mponina rehetra tamin’ireo tanàna ireo dia taranak’i Makira, rain’i Gilehada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nalain’i Gesora sy i Arama tamin’ny Jairita ny tanàna madinika an’i Jaira mbamin’i Kenata sy ny vohitra miankina aminy, dia tanàna enimpolo izany. Ireo rehetra ireo dia an’ny zanak’i Makira, rain’i Gileada. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nalain’ny Gesorita sy ny Sirianina ireo tanànan’i Jaîro miaraka amin’i Kenata renivohitra sy ny tanàna kely manodidina azy; tanàna enimpolo no fitambarany. Ny mponina rehetra tamin’ireo tanàna ireo dia taranak’i Makira, rain’i Gilehada. Baiboly Katolika Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nalain’i Gesora sy Arama tamin’ny Jaïrita ny tanàna madinika an’i Jaïra mbamin’i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ny zanak’i Makira, rain’i Gileada. Malagasy Bible Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada. La Bible en Malgache Nalain’i Gesora sy i Arama tamin’ny Jairita ny tanàna madinika an’i Jaira mbamin’i Kenata sy ny vohitra miankina aminy, dia tanàna enimpolo izany. Ireo rehetra ireo dia an’ny zanak’i Makira, rain’i Gileada. |
ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.
ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;
I Segoba no ray niteraka an’i Jaîro izay nanana tanàna telo amby roapolo tao amin’ny tanin’i Gilehada.
Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.
Ireo terak’i Jaîro zanakalahin’i Manase no nahazo ny faritany Argôba manontolo, mipaka amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy Mahekatita; dia nantsoina hoe Havôta-Jaîro izany faritra izany araka ny anarana entiny mandraka androany.)
Tsy noroahin’ny Israelita anefa ny mponina tao Gesora sy Mahekà; koa miara-monina amin’ny Israelita ry zareo mandraka androany.
Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaîma ao atsimo ary mahafaoka an’i Basàna manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an’i Hôga mpanjaka tao Basàna, mbamin’ny fitambaran’i Havôta-Jaîro, izay tanàna enimpolo tao Basàna;