Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.
1Tantara 18:14 - DIEM PROTESTANTA Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra. Baiboly Katolika Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Davida nanjaka tamin’ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana. Malagasy Bible Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana. La Bible en Malgache Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana. |
Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.
Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.
Dia nametrahany governora tao Edôma, ka tonga olom-pehezin’i Davida ny Edômita rehetra; ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
I Jôaba zanakalahin’i Tseroià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda, no mpitondra tenin’ny mpanjaka,
Tao amin’ny tahirin-kiran’i Salômôna. Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka izany fahaizanao mitsara; omeo ity taranak’andriana izany fitandroanao ny rariny.
Anao ny hery tsy hay tohaina; azo antoka ny fifehezanao, tsy refesi-mandidy ny fahefànao.
Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.
Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.
Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.