Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 9:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo ka mihatra amin’ny Israely izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 NY Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba, Ka mihatra amin’ny Isiraely izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo ka mihatra amin’ny Israely izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 9:7
34 Rohy Ifampitohizana  

Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »


satria ao Jerosalema no hipoiran’ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna no hiarenan’ny sisa velona.» Dia hoy i Isaià hoe: «Izany no hataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy.


Koa angataho amiko ny firenena rehetra, dia homeko ho fanananao ireny hatrany amin’ny faravazan-tany,


Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.


dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!


satria ao Jerosalema no hipoiran’ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna no hiarenan’ny sisa velona.» Dia hoy ihany i Isaià hoe: «Izany no hataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy.


Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.


Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.


«Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.


Ary torotoro avy hatrany koa ny vy sy tanimanga mbamin’ny halimo sy volafotsy ary volamena, ka tonga toy ny akofa eny am-pamoloana fahavaratra; dia nopaohin’ny rivotra ireo, ka tsy hita intsony izay nitoerany. Ary ilay vato izay namely ny sarivongana dia tonga tendrombohitra lehibe ka nameno ny tany manontolo.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.


Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.


Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: –Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?


Fa ny amin’ilay Zanaka kosa dia hoy Izy hoe: «Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia maharitra mandrakizay mandrakizay; araka ny hitsiny no itondranao ny Fanjakànao.


fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany.


Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra