Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’i Davida amin’ny Israely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ny Israely koa dia niray fo hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Ireo lehilahy mpiady rehetra ireo, izay samy nahay nilahatra hiady avokoa, dia tonga tao Hebrôna, tamin’ny fo mahitsy hanangana an’i Davida ho mpanjaka amin’i Israely rehetra: ary i Israely sisa rehetra koa, dia niray fo torak’izany hanangana an’i Davida ho mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’i Davida amin’ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:38
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa antitra i Salômôna, dia notarihin’ny vadiny hanaraka andriamani-kafa; ka tsy tokam-po tamin’ny TOMPO Andriamaniny toa an’i Davida rainy intsony izy,


ary hiraiki-po amin’ny TOMPO Andriamanitsika ianareo mba hizoranareo araka ny lalànany sy hitandremanareo ny didiny tahaka izao ataonareo anio izao.»


ary nanao hoe –TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.


Tamin’ny taranak’i Jisakara, dia nisy manamboninahitra roanjato lahy sy ireo mpiray foko rehetra teo ambany fifehezany; ireo manamboninahitra ireo dia samy nahay mamantatra tsara ny fotoana mety sy ny fomba tokony hikatrohan’ny Israelita.


Tamin’i Asera, dia nisy miaramila 40 000, zatra ady sy vonon-kiantafika.


Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrôna tamin’ny fony manontolo mba hampanjaka an’i Davida amin’i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fo mba hampanjaka an’i Davida.


Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.


Hiezaka hiroso amin’ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankatỳ amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin’ny lapam-panjakàko.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Homeko fo iray ihany ianareo rehetra, ary hametrahako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra