Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrôna tamin’ny fony manontolo mba hampanjaka an’i Davida amin’i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fo mba hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrôna tamin’ny fony manontolo mba hampanjaka an’i Davida amin’i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fo mba hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 Hateloana izy ireo no nitoetra tao niaraka tamin’i Davida, dia nihinana sy nisotro, fa efa nanomana vatsy ho azy ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Ary tao amin’i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:39
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao fanasana ho an’i Abimelèka i Itsehàka, ka nihinana sy nisotro izy.


Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin’ny alina.


Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Ary indreo nankeo amin’ny mpanjaka avokoa ny lehilahy israelita, ka nanao taminy hoe: –Nahoana ireo lehilahy jodeanina rahalahinay no naka an-keriny anao, ry Davida mpanjaka, mba hitondra ny tenanao sy ny fianakavianao hiampita an’i Jôrdàna, nefa dia tafaraka taminao ny miaramilanao rehetra.


Nasainy nizarana sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofomamy iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.


Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.


Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.


Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra