Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samihafa noentin’ny boriky sy rameva ary ampondra sy omby, dia koba, mofo aviavy, voaloboka maina, divay, diloilo ary omby sy ondry aman’osy betsaka koa, fa nisy fifaliana tamin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Ary na dia izay nitoetra anilany aza hatramin’i Isakara sy i Zabolôna ary i Neftalì samy nampitondra hanina, nentin’ny ampondra aman-drameva mbamin’ny omby sy ny mole, dia lafarina, ampempan’aviavy maina amam-boaloboka maina, divay, diloilo, omby aman’ondry sesehena, satria nisy fifaliana tamin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman-osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samihafa noentin’ny boriky sy rameva ary ampondra sy omby, dia koba, mofo aviavy, voaloboka maina, divay, diloilo ary omby sy ondry aman’osy betsaka koa, fa nisy fifaliana tamin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:40
14 Rohy Ifampitohizana  

Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsibà mpanompon’i Mefibôseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran’ny siny hoditra.


Dia niakatra nanaraka azy tao an-tanàna ny vahoaka rehetra izay nitsoka sodina sady faly aoka izany, ka dia nila hitresaka ny tany noho ny horakorany.


dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanàna, satria efa matin-tsabatra tao an-dapan’ny mpanjaka i Hatalià.


Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrôna tamin’ny fony manontolo mba hampanjaka an’i Davida amin’i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fo mba hampanjaka an’i Davida.


Niarahan’i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo na mifehy zato ary ny mpanapaka rehetra;


Tamin’izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan’ny olona sy nisotroany teo anatrehan’ny TOMPO. Dia nanaovana fanambaràna fanindroany ny maha mpanjaka an’i Salômôna ka natolotra azy teo anatrehan’ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadôka.


Mifaly amin’ny fahombiazan’ny olo-marina ny tanàna, ary velom-pihobiana amin’ny fahafatesan’ny olon-dratsy.


Rehefa ny olo-marina no mitondra, dia faly ny vahoaka; fa rehefa ny olon-dratsy no mifehy, dia misento ny vahoaka.


Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»


Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin’aviavy roanjato. Nakariny teo an-damosin’ireo borikiny izany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra