Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.
1Tantara 17:23 - DIEM PROTESTANTA Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao. Baiboly Katolika Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny amin’ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. Malagasy Bible Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. La Bible en Malgache Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao. |
Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.
Ankehitriny àry, ry Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao!
Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.
Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: «Ny TOMPOn’izao rehetra izao no Andriamanitra ho an’i Israely!»; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.
Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely, efa nifidy ahy teo anivon’ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an’i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon’ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin’i Israely manontolo.
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.
Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.
Tamin’izay dia hoy i Maria: –Intỳ aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao! Dia nandao azy ilay anjely.