Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 28:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely, efa nifidy ahy teo anivon’ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an’i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon’ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin’i Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nefa kosa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay; fa i Joda no nofidiny ho mpitondra, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely, efa nifidy ahy teo anivon’ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an’i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon’ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin’i Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanapaka, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nefa kosa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay; fa i Joda no nofidiny ho mpitondra, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 28:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.


Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.


Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy.


I Joda no nahery indrindra teo amin’izy mirahalahy avy, ka izy no nipoiran’ilay ho tonga mpanjakan’i Israely; nefa ny fizokiana dia an’i Jôsefa ihany.


Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»


Tao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe: «Faly tokoa Aho fa hizara an’i Sekema sy ny lohasahan’i Sokôta ho an’ny vahoakako;


Tamin’ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;


Vonjeo amin’ny herinao izahay ary valio vavaka, dia ho afaka fa vahoaka malalanao.


Fa hoy Ianao hoe: «Nanaovako fanekempihavanana ilay voafidiko, dia i Davida mpanompoko izay nianianako hoe:


Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin’ny fokon’i Joda no nipoiran’ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.


Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.


Tonga tao amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa, ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin’ny havoanan’i Hakilà, tandrifin’ny faritra be lobolobo i Davida!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra