Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: «Ny TOMPOn’izao rehetra izao no Andriamanitra ho an’i Israely!»; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely; dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: «Ny TOMPOn’izao rehetra izao no Andriamanitra ho an’i Israely!»; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny Anaranao; ka aoka holazain’ny olona hoe: I Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, dia Andriamanitra ho an’i Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely; dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:24
17 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.


Satria Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no maha eto ahy mba hivavaka manatrika anao.


dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity tempoly naoriko ity.


fa tifirinao amin’ny zana-tsipîka izy ary ataonao rifatra mandositra.


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


Ry Tompo Andriamanitray ô, aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao ka ampahombiazo ny asan’ny tananay; eny, ampahombiazo ny asan’ny tananay.


«Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.»


Dia hoy i Jeremià tamin’i Tsedekià: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Raha mivoaka hitolo-batana amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona ianao sy ny fianakavianao, ary tsy hodorana amin’ny afo ity tanàna ity.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Koa mivavaha toy izao àry ianareo: «Ry Rainay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny anaranao;


Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao! Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.


Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: –Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao.


ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra fa «i Jesoa Kristy dia Tompo», ho voninahitr’Andriamanitra Ray.


saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.


Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoaka Israely rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako, ary hosoratako ao am-pony; dia ho Andriamanitr’ireo Aho, ary izy ho vahoakako!


Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr’Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain’Andriamanitra azy; ka dia amin’ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra