Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Satria Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no maha eto ahy mba hivavaka manatrika anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanao trano ho azy. Koa izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Satria Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no maha eto ahy mba hivavaka manatrika anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Fa Tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian’ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Fa Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanao trano ho azy. Koa izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:25
6 Rohy Ifampitohizana  

Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: «Ny TOMPOn’izao rehetra izao no Andriamanitra ho an’i Israely!»; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.


TOMPO ô, Ianao mihitsy no Andriamanitra, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.


TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony.


Fa indray andro tsy hahatongavan-dry Saoly, dia efa nilaza tamin’i Samoela ny momba izao fihaonana izao ny Tompo hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra