Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 16:8 - DIEM PROTESTANTA

Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany! Ampahafantaro ny firenena ny asany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany, ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany! Ampahafantaro ny firenena ny asany!

Jereo ny toko



1Tantara 16:8
13 Rohy Ifampitohizana  

dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, TOMPO ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity trano naoriko ity.


Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Ary nomen’ireo lohandoha-mpisorona fahefana izy no tonga eto, mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.