Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 16:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Koa tamin’io andro io no voalohany nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Koa tamin’io andro io no voalohany nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Tamin’izay andro izay no voalohany nanapahan’i Davida, fa ny feon’i Asafa sy ny rahalahiny no hankalazana an’i Iaveh:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 16:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.


I Benaià sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.


Ary i Hezekià sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny Tompo tamin’ny tononkiran’i Davida sy ny an’i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo. Salamo nataon’i Davida.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hira nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin’ny fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra