i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
1Tantara 16:39 - DIEM PROTESTANTA Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna. Baiboly Katolika Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah teo amin’ny fitoerana avo any Gibeona, Malagasy Bible Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona, La Bible en Malgache I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona. |
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
Fa i Tsadôka mpisorona sy i Benaià zanakalahin’i Jôiadà sy i Natàna mpaminany mbamin’i Simehỳ sy i Rehỳ ary ireo kalazan’i Davida kosa tsy mba niandany tamin’i Adônià.
Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.
Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba,
Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna;
Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.