Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:2 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’i Jehovah hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita* ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva.

Jereo ny toko



1Tantara 15:2
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak’omby matavy i Davida.


Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an’ny TOMPO dia nitenenany hoe: –Ianareo natao hametraka ny Vatamasin’ny Tompo ao amin’ny tempoly, izay nataon’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an’ilay Israely vahoakany;


Hatsofoka ao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.


Ary amin’ireo hafa firenena ireo koa, hoy AHO, dia hisy hofidiko ho mpisorona sy levita.»


–Asaivo manatona ny fokon’i Levỳ ka apetraho eo ambany fahefàn’i Aharôna mpisorona mba hanampy azy.


Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.


Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.


Tamin’izay ny fokon’i Levỳ no natokan’ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan’ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin’ny anarany. Mbola ataon’ny levîta ireo raharaha ireo mandraka androany.


Dia nataon’i Mosesy an-tsoratra izany Lalànan’Andriamanitra izany, ka natolony tamin’ireo mpisorona, taranak’i Levỳ, dia ireo mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan’ny TOMPO, ary koa tamin’ireo rehetra loholon’i Israely.


ary nandidy azy hoe: –Raha vao hitanareo fa entin’ny Levita mpisorona ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ialao ity toerana misy anareo ity ka mandehana manaraka azy.


Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin’i Nona ka nanao taminy hoe: –Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.