Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 25:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Hatsofoka ao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 dia ampidiro ho eo amin’ny mason-drojo volamena eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Hatsofoka ao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 dia hampiditra ny bao amin’ny masom-bolamena eo an-danin’ny fiara avy, hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ny vava volamena, izay eo amin’ny lafin’ny fiara, hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:14
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.


Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


Hisy bao roa hatao amin’ny hazo mimôzà, ary horakofana takela-bolamena.


Rehefa tafiditra amin’ny toerany ireo, dia tsy hoesorina intsony.


Hatao eo akaikin’ny fehivavany ny haba ka hampidirana bao mba hitondrana ny latabatra.


Hazo mimôzà no hanaovana ny bao roa, izay horakofana takela-bolamena; ary ireo no hilanjàna ny latabatra.


Hisy haba volamena roa avy hapetraka eo ambonin’ny sisiny an-daniny roa amin’ny alitara, ka hampidirana bao mba hilanjana azy.


Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin’i Nona ka nanao taminy hoe: –Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra