Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 9:4 - Baiboly Katolika

Indro fa ho azon’ny Tompo izy io; hasiany ny heriny eny amin’ny ranomasina, ary ny tenany ho levonin’ny afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany sady harodany any an-dranomasina ny mandany ary ho levon’ny afo izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa halain’ny Tompo aminy ireny, hazerany any an-dranomasina ny màndany ary ho levon’ny afo ny tanàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa halain’ny Tompo aminy ireny, hazerany any an-dranomasina ny màndany ary ho levon’ny afo ny tanàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ny afo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany sady harodany any an-dranomasina ny mandany ary ho levon’ny afo izy.

Jereo ny toko



Zakaria 9:4
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.


Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.


I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.


Hanao hira falahelovana anao izy, ka hanao aminao hoe: Endrey izao faharavanao izao, ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina, tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina, ianao mbamin’ny mponina teo aminao, nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.


Tamin’ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota ianao ka nariako hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan’ny vato mirehitra.


Noho ny fitomboan’ny helokao, tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao Aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra nahita anao.


Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!


Havarina any an-davaka ianao, ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono ao anatin’ny ranomasina.


dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho, ka handevona ireo lapany izany.»


Hahita izany i Askalôna, ka hatahotra; i Gazà koa hiolanolana azon’ny fijaliana; ary i Akarôna koa, fa efa ho levona ny fanantenany. I Gazà, tsy hana-mpanjaka intsony, ary tsy honenana intsony i Askalôna.