Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 23:11 - Baiboly Katolika

11 I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Natsotrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanan’NY TOMPO; nampihorohoroiny ny fanjakana; NY TOMPO efa nandidy ny amin’i Kanana mba handravana ireo mandany mafy orina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ny tànan’i Jehovah nahinjiny tambonin’ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’i Kanana, Mba horavana ny fiarovany mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Natsotrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanan’NY TOMPO; nampihorohoroiny ny fanjakana; NY TOMPO efa nandidy ny amin’i Kanana mba handravana ireo mandany mafy orina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:11
30 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»


Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.


Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy, izay ho azoko handosirana mandrakariva. Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao, fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.


Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’i Iaveh ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.


Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Izany no hevitra raikitra hamelezana ny tany rehetra, ary tanana ahinjitra hamelezana ny firenena rehetra!


Ny rano amin’ny ranomasina ho ritra; ny ony ho tankina sy ho maina;


Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.


Mieleza amin’ny taninao, tahaka an’i Nila, ry zanaka vavin’i Tarsisa, fa tsy manam-pehikibo intsony ianao.


Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila, ny vokatry ny ony, niditra ho hareny, tsenan’ny firenena izy.


Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.


Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.


Hataonao ahoana moa no fitsahatra, fa nomen’i Iaveh didy ianao? Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina no itarihany azy.


Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny ka ho tototry ny vovo-taniny ianao; ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly, sy ny kodiarana aman-kalesy, dia hihozongozona ny mandanao, rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy, toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.


Horavan’ireo ny mandan’i Tira, sady harodany ny tilikambony; haìliko lavitra azy no vovo-taniny; ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;


Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.


Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina; manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.


Hanozongozona ny firenena rehetra Aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy i Iavehn’ny tafika.


Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an’i Iavehn’ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin’ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeanina intsony, ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika, amin’izany andro izany.


sady nampianatra Izy, nanao hoe: «Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.»


ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra