Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 8:10 - Baiboly Katolika

Talohan’izany andro izany tsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an’ny olona na ho an’ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an’ny olona na ho an’ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.

Jereo ny toko



Zakaria 8:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy, ary ny sakaiza amin’ny sakaiza, ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.


Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.


Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?


Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifàntoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.


Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.


Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.