Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hagay 2:15 - Baiboly Katolika

15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Koa miangavy anareo aho, hevero ny amin’izay hiseho hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ. Fony tsy mbola nisy vato voarafitra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Hoy koa ny TOMPO hoe: –Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan’ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hoy koa ny TOMPO hoe: –Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan’ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Koa masìna hianareo, hevero ny hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin’ny tempolin’i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy




Hagay 2:15
14 Rohy Ifampitohizana  

Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.


Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.


Aoka izay hendry hamantatra izany zavatra izany ka hahalala ny hatsaram-pon’i Iaveh.


Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.


Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.


Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo.


Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.


Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!


Talohan’izany andro izany tsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.


Ankehitriny kosa Aho efa tsy tahaka ny tamin’ny andro taloha intsony, amin’izay sisa amin’ity firenena ity, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -


Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.


Raha mitsara tena isika, dia tsy hotsaraina;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra