Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 9:4 - Baiboly Katolika

4 Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifàntoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony aza izy dia any no hibaikoako ny sabatra hamono azy; ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga loza fa tsy soa aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 na ho lasan-ko babo eo anatrehan’ny fahavalony aza ireo, dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any. Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy fa hahatonga loza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 na ho lasan-ko babo eo anatrehan’ny fahavalony aza ireo, dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any. Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy fa hahatonga loza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony aza izy, Dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 9:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.›


Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»


Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.


Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina dia nitodika ny Ejiptianina i Iaveh tao amin’ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejiptianina. Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.


Ny havoana rehetra any an’efitra dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa, fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an’ny nofo rehetra na iza na iza.


Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, - teny marin’i Iaveh, - dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.


Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.


«Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy, fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy.»


Mandehana ianao milaza amin’i Abdemeleka Etiôpianina hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr’izay ihany izany.


Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.


Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.


Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.


Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;


Ianareo haparitako any amin’ny firenen-kafa, hoenjehiko amin’ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra.


Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota; ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy. Nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Talohan’izany andro izany tsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra