Amosa 9:5 - Baiboly Katolika5 Ny Tompo Iavehn’ny tafika mikasika ny tany ka miempo izy, ary misaona avokoa ny mponina eo aminy; misondrotra tahaka an’i Nila izy manontolo, ary mietry tahaka ny onin’i Ejipta izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Ary NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mikasika ny tany dia miempo izy; misaona ny mponina rehetra ao aminy; misondrotra tahaka an’i Neily avokoa ireny rehetra ireny ary mihena toy ny Neilin’i Ejipta indray izy; Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA5 Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary Jehovah, Tompon’ny maro, No manendry ny tany, ka dia miempo izany, Ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an’i Neily avokoa izany, Ary hihena indray izy toy ny Neilin’i Egypta, Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta, Jereo ny toko |